Skip to content

heriniaina/fihirana-katolika

Repository files navigation

Fihirana Katolika (Android)

Fihirana Katolika (Android) dia natao indrindra hampiasaina rehefa sendra tsy misy ny Boky Fihirana na koa rehefa tsy manana ny Boky Fihirana fampiasa ao amin'ny Fiangonana iray ianao. Araka izany dia ezahina hapetraka ato amin'ity application ity ireo fihirana rehetra fampiasa amin'ny Fiangonana Katolika. Mivoatra hatrany ny angona (Base de données) satria misy hira ahitsy, misy hira vaovao, hisy fihirana vaovao ihany koa. Noho izany dia mila jerena matetitetika ny takelaka izay mitahiry ny Fihirana Katolika.

Tantara fohy

Faniriana, noho ny fivoaran'ny teknolojia, ny hamoaka ny fihirana katolika an-takelaka. Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra izay nanaiky ny hanangonana ny hira katolika ao amin'ny takelaka katolika.org. Taty aoriana dia navoaka ny Application Fihirana Katolika ho an'ny Android ka ny hira ao amin'ny takelaka katolika.org ihany no navoaka ho hita ao amin'ny application.

Loharano

Ny hira hitanao ato amin'ny Application Fihirana Katolika dia nadikan'ny namana maro, izay isaorana etoana, avy tamin'ireo fihirana isan-karazany, na koa vokatry ny fitadidiany, ka napetrany ao amin'ny takelaka Katolika.org. Noho izany dia:

  • Tsy tompon'ny hira velively izahay fa misy tompony avokoa ny hira rehetra
  • Mety hisy diso ny lahatsoratra satria nadika tanana na dia efa miezaka manara-maso aza izahay. Mahafaly tokoa raha afaka manampy amin'ny fampidirana sy fanitsiana hira ianao. Jereo hatrany ao amin'ny takelaka katolika.org hahafahanao manao izany.

Fisaorana

Isaorana manokana etoana ireo namana izay nandika manontolo na sombiny amin'ny fihirana. Singanina manokana ny namana Isabelle Razafimanalina, Joseph Rahasa izay nanampy be dia be tamin'ny tetikasa tany am-piandohana. Isaorana koa ireo ireo namana maro taty aoriana izay anaty lisitra eto

Open source

Nanapa-kevitra izahay ny hamoaka ity tetikasa ity ho Open source ka mampiasa ny License GPL 2.0. Maniry koa izahay (tsy voatery) raha apetrakao any ho any ny tamberin-mpankasitrahana ho an'ireo tompon'ny hira, tompon'ny fihirana, namana nandika sy nanampy voalaza etsy ambony. Ny hira sy ny fihirana rehetra dia an'ny tompony avy. Raha tompon'ny hira ianao na tompon'ny fihirana ka maniry ny hanesorana ny fihirana na hira dia afaka mifandray aminay.

Hanohana ara-bola

Ny fanohanana ara-bola amin'ny hofan'ny lohamilina dia azonao atao amin'ny rohy hitanao eto https://katolika.org/hanampy-ara-bola koa dia misaotra anao sahady.